<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>510</hymn_number>
<title>Jeso! ny hamarinanao FFPM510</title>
<lyrics>[V1]
 Jeso ! ny hamarinanao
 No lamba hitafianay,
 Amin'ny andro farany,
 Izany hifalianay.

[V2]
 Raha hitsangana izahay
 Handray ny lova aminao,
 Dia tsy ho resy lahatra,
 Fa Kristy no Mpanavotra.

[V3]
 Io lamba io no mbola vao,
 Na levona izao tany izao,
 Haharitra tsy rovitra,
 Havaozin'Andriamanitra.

[V4]
 Ny hery sy ny antranao
 Toroy izao tontolo izao ;
 Ampandrosoy ny teninao,
 Ampanekeo ny rafinao.

[V5]
 Ny maty hahare ny feo
 Hiantso azy ho velona ;
 Jeso ! ny hamarinanao
 No lamba hitafianay.</lyrics>
<author>G. Hews</author>
</song>